<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>29</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Rendrarendra ve sa fifalian'ny maso koa?
 Sa endrika ho levona na felana halazo koa?
 No hanorenako izany tena fiainako,
 Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro.
 Fiv. Ka na orana hifafy,
 Na ny rivotra koa hifofo,
 Tsy mba hanan-tahotra aho,
 Tsy hangovitra (satria)
 Vato mafy no tena manda-piainako,
 Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro.
 2-Eo Aminao no tena irafetako,
 Hitombo tsara
 Ho tempoly masina ao Aminao,
 Mba ho fonenanao sy Ilay Fanahy Masinao,
 Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro.</lyrics>
<title>JESOSY NO TENA VATO FEHIZORO ASAFA29</title>
<author>Ndriana RAMAMONJY</author>
</song>